Socio-eco

TAMBOHOBE: “Tapa-tenda ny ray aman-dreny”


Feno 15 taona ny fikambanana Tambohobe na Tanora Mbola Ho Beazina. Ho fanamarihana izany tsingerin-taona niforonany izany dia mikarakara lalao “rugby” ravahina fampisehoana vakisôva ny fikambanana. Ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy, amin’ny tanora, amin’ny vehivavy no fototra nijoroan’ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2002 ka hatramin’izao. Raha ny tantara, niainga teny amin’ny fokontany Andraisoro, boriborin-tany faha-dimy no niforonan’ny Tambohobe. Faritra mena amin’ny lafiny herisetra io fokontany io. “Ny fanolanana ankizy sy tovovavy no tena mpitranga teny an-toerana”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Willy Rabenjamina. Lalao baolina lavalava roa lehibe no hitranga ny 29 jolay 2018. Ny 17 aogositra 2018 kosa ny fotoam-pivavahana. Eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny famaranana ny fankalazana, ny 02 septambra 2018.

Vakisôva

Nijoro ny fikambanana hiady amin’ny herisetra amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny zaza sahirana an-tsekoly no andraikitra noraisin’ny fikambanana. Ankoatra izany, namelomaso ny “vakisôva” ny Tambohobe. Amin’ny alalan’ity zava-kanto ity no hanabeazana ny tanora. “Sady fampatsiahivina ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ny vakisôva amin’ny maha gazety an-kira azy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Tambohobe, Rivoson Théogène. Nambaran’i Myriam, ramatoa mpiangaly ny sôva fa fanaovana ampamoaka ny zava-misy amin’ny alalan’ny hira ny vakisôva. Fitaovana iray hananarana ny ankizy sy ny tanora ihany koa ity zava-kanto ity. “Noho ny fahasahirana mianjady amin’ny tokantrano dia ny zanaka indray no mibaiko ny ray aman-dreny. Tapa-tenda ny ray aman-dreny raha mananatra ny zanany. Raha mba manam-bola kely ny zanaka dia izy no maniraka ny ray aman-dreny. Mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy anefa izany satria natao hanaja ny ray aman-dreny ny zanaka”, hoy i Myriam. Miompana amin’ny ady amin’ny herisetra sy hampiroboroboana ny soatoavina Malagasy ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taona ny Tambohobe.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *