Sport

5 SOCCER : Fahombiazana ny andiany voalohany


Sady matotra no tsara ny andiany voalohany tamin’ny « Grand tournoi des champions ». Fifaninana baolina kitra nolalaovin’olona dimy izy ity izay natao teny amin’ny Five Soccer ( 5 Soccer ), Amoronakona. Nandritra ny roa andro ny nanaovana ny fifaninana dia ny sabotsy 28 desambra 2019 sy ny Alahady 29 desambra 2019. Lasan’ny Dart Line ny amboara tamin’ity andiany voalohany ity raha nandresy ny FC Samba tamin’ny isa 16 no 8. Nifandanja ny lalao tamin’ny fidirana voalohany na dia nitarika tamin’ny isa 6 sy 5 aza ny Dart Line.5 SOCCER 1 « Tombony teo amin’ny teknika no nahatonga ny fibatanay ny amboara tamin’ny ity andiany voalohany eo amin’ny Five Soccer ity. Nampiseho ny teknika filalaovana baolina kitra avaradrano eny Ankadikely Ilafy izahay », hoy ny kapiten’ny Dart Line, Raphael James Eric. Fanirian’izy ireo ny hisian’ny fifaninana toy izao mba tsy ho lasa any amin’ny fandraisana zava-mahadomelina ny tanora. Nohamafisiny fa sady matotra sy tsara ny fikarakarana no manara-penitra raha teo ny kianja filalaovana. Loka azon’ny mpandresy tamin’ity fifaninana ity dia lelavola 1.000.000 Ariary miampy amboara ary 400.000 Ariary kosa ho an’ny laharana faharoa miampy amboara

Fahombiazana

Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara. Nety tamin’ny fandaminana ny ekipa 16 nandray anjara raha noeritreretina ho 24 izany, hoy i Miantso Andrianabo anisan’ireo mpikarakara ny fifaninana. Na dia teo aza ny olana kely nitranga noho ny hafanam-po tamin’ny lalao dia nahatsapa ireo ekipa rehetra nandray anjara fa lalao mpirahalahiana no natao. Nisaotra ireo ekipa rehetra nahatontosa ny fifaninana nandritra izay roa andro izay ny mpikarakara ao amin’ny 5 Soccer. Tsy maintsy hisy ny andiany faharoa amin’ny volana Martsa 2020. Manome fotoana ireo tanora milalao ny baolina kitra noho izany ny 5 Soccer amin’ny « Grand trophée des champions »  izay hisy mpandray anjara 32.

Vokatry ny lalao

5 SOCCER 2Teo amin’ny lalao am-pahefa-dalana dia FC Samba nandresy ny Fanantenana tamin’ny isa 6 sy 1. Falitiana nandresy ny Top II A , 3 noho 2. Maika kosa nandresy ny ekipan’nu VIP Ambohimamory, 5 sy 3. Lalao farany tamin’ity lalao am-pahefa-dalana ity dia ny fandresen’i Dart Line an’i STK Andraisoro, 7 sy 4.

Teo amin’ny lalao manasa-dalana kosa dia FC Samba nandresy an’i Falitiana tamin’ny isa 7 noho 2 ary Dart Line nandresy an’i Maika,  5 sy 3

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *