politique

ZAH GASY : Tsy maika ny fifidianana filoham-pirenena


Efa miseho lany ny farisihan’ny antoko politika handray anjara amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity. Mifanohitra amin’izay ny an’ny fikambanana Zah Gasy. “tsy maha-maika ny fifidianana filoham-pirenena fa ny fanovana ny lalam-panorenana no tokony atao mialoha”. Izany Lalam-panorenana izany, mifandraika amin’ny fampandrosoana ny firenena iaraha-midinika amin’ny Malagasy rehetra. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny fikambanana Zah Gasy, Jean Navandahy RATIHARISON fa izy ireo, manana ny foto-kevitra hoe “ faritra mizakatena hanasongadinana ny zanaky ny faritra”. Averina any ifotony ny fijerena ny paipaika ho entina mampandroso ny firenena. Anjarany zanaky ny faritra no mamolavola ny tetim-panorenana hampandrosoana ny faritra niaviany. Noho izany, tsy anao kandida filoham-pirenena ny tenany satria tsy laharam-pahamehana ho azy ny toerana fa ny fahatongavan-tsain’ny mpiray tanindrazana ny maha antsika ity Madagasikara ity. “Ny Malagasy irery ihany no afaka mampandroso ity firenena ity ary mil any fijoroan’ny tanora izany. Izahay no hitarika azy ireo amin’izany”.
Nahatsiaro ireo mpitolona tamin’ny taona 1947 ihany koa ny fikambanana ka nanatitra voninkazo tetsy amin’ny tsangam-baton’ny maherifo Ambohijatovo izy ireo ny 29 Martsa 2018. Mitohy ny tolona amin’ny fanavotana ny firenena, hoy izy.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *