Archives journalières 30 avril 2022


AMBATOVY : Mitohy ny fanampiana amin’ny lafiny ara-tsosialy


Olona marefo 259 monina ao Toamasina II no nampian’Ambatovy tamin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo vary makalioka roa taonina sy sasany niaraka tamin’ny savony, ny 14 sy 15 avrily 2022. Olona marefo 115 avy ao Vohitrambato izay tanàna namindrana ireo mponina nipetraka taloha teo amin’ny faritry ny Ozininy ao Toamasina no nomen’Ambatovy savony sy vary 10 kilao isan’olona, ny 14 avrily 2022. 35 tamin’izy ireo dia efa maherin’ny 60 taona ary 57 dia mpiasa an- tselika isan’andro izay nanadio ny lalana mihazo an’i Vohitrambato. Ny ampitson’io, ny 15 avrily 2022, dia olona marefo 144 mihoatra ny 60 taona monina manodidina ny faritra fanatobiana ambin’akoran’Ambatovy indray no nomen’ny orinasal vary 10 kilao isan’olona. Misanda 8,7 tapitrisa ariary ireo fanomezana nataon’Ambatovy ho fanohanana ny olona marefo ao Toamasina II ireo.

Ny 25 avrily 2022 kosa dia natolotra solosaina enina vaovao ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana (DRSPA) izay natokana ho an’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny distrikan’i Toamasina (SDSPT). Izany fanomezana izany dia tafiditra amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny lafiny sôsialy izay ataon’Ambatovy mba hanohanana ireo vondrompiarahamonina ao amin’ny faritra iasany. Nandray ireo solosaina ireo izay misanda 15 tapitrisa ariary mahery ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, Dr. RAZAFIARISOA Marie Celestine Vavy.

Ataon’Ambatovy ho laharampahamehana ambony indrindra ny fahasalamana sy ny aroloza ho an’ireo mpiasa ao aminy. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanamarihana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Aroloza sy ny Fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana, izay notanterahina ny 28 sy 29 avrily 2022 tao amin’ny Garan’i Soarano Ambatovy. Fotoana nahafahan’Ambatovy nizara tamin’ny daholobe ireo vaovao sy tsara ho fantatra momba ny asany ary indrindra ireo fepetra sy fenitra hentitra raisin’ny orinasa mba ho afaka hiasa lavitry ny loza ireo mpiasa ao aminy

Nangonin’i Ra-Nirina.