Archives mensuelles janvier 2022


TSY MAINTSY HIOVA NY GOVERNEMANTA : HO VOATAZONA HATRANY IREO TSY NAHOMBY


Mbola ho ela vao fantatry ny mpihazakazaka fa resaka tombotsoa sy akamakama fotsiny no mahatonga ny mpihogahoga manodidina azy hanao ny fanasohasoana. Raha amin’izao fotoana farany izao moa no misintanka sy tsy mety hibaby ireto akamany marobe ireto indray ny mpihazakazaka dia inona no hitranga ? Tsy maintsy ho fifanosora-potaka sy fifanesoana indray no mameno ny resaka. Ny mpisandosandoka sy ny mpanera dia efa nadio ny rano nitany fa tsy hohita intsony izy. Efa ampolo taonany maro no tsapa teto amin’ity firenena ity fa tsy ny toerana sy ny andraikitra mihitsy no mitady ny olona mendrika azy, fa ny olona no mifanosika hiady ny toerana tsy hay sy tsy fantany akory. Sanatria toy ny lalitra mahita maloto ! Continuer la lecture