Archives journalières 22 octobre 2021


Lôla 20 taona : « Tiako loatra ianao »


« Tiako loatra ianao » !  io no Fampisehoana izay hiarahana amin’ny Lola ny 01 Novambra 2021 ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mamahasina amin’ny 3ora sy 4 minitra. Isan’ireo mpanakanto manana feo miavaka, manana tononkira mambabo ary feno angola sy miresaka fitiavana ity mpanakanto ity.
Amin’ity fankalazana ny faha 20 taonany ity dia hiavaka ny seho satria hisy ny fandraisana anjaran’ireo mpanankato manana ny lazany, isan’izany Njakatiana, Melky, Dô Rajhoson, Nate Tex, Farakely, Black Nadia, Stéphanie, ary mazava ho azy fa hisy ny fampiaraham-peo. Fampisehoana ngezabe iray, tsy mitapaka mihitsy voalohan’ny hatramin’ny  farany izy ity. Izany hoe tsy misy fakàna aina fa eo ambony sehetra hatrany ny mpananakanto, hilalao fihetsem-po maro ihany koa, raha ny fanazavan’i Jack Thierry anisan’ireo mpikarakara. Continuer la lecture