Archives journalières 19 octobre 2021


Fitondram-panjakana : Ny fitokana ny zava-bita no mahamendy


Mifantoka amin’ny fitokanana ireo zava-bita manerana ny Nosy ny vaindohan’draharahan’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa saika ho isan-kerinandro ihany koa ny fametrahana ireo olona anaty ministera sy fanalàna ireo tsy nahomby. Fotonan’izany tokoa ve  izao? Efa roa taona mahery kely tsy hifarana’ny fe-potoam-piasaàna, mbola maro ireo olona soloina satria tsy mahomby, tsy misy asa mitohy mihitsy ankehitriny (?).

Saiky hita manerana ireo ministera ny fitokonana, ny fitakiana ny tambin-karama.

Etsy andanin’izay dia miaina fahasahiranana ny  olom-pirenena, na ny ho arapaka isan’andro aza tsy misy intsony. Tao anatin’izay fitondrana nifanesy izay tokoa mba firy tamin’ireo mpitondra no niezaka ny hamorona asa ho an’ny vahoaka? Tsy vitsy ireo  miala ny tanindrazana noho ny fitadiavana. Continuer la lecture


Ala-saona : Hijanona sa hiaraka aminay ?


 « Hianareo ve hijanona sa hiaraka aminay » io no lohateny hampitondrain’izy ireo ny fampisehoana izay hatao, ny 07 novambra ho avy izao ao Antsahamanitra,entina  hanamarihan’izy ireo ny ala saona ihany ity fiakarana an-tsehatra ity, hoy Bekoto sy Dama tarika mahaleo. Ho hiraina mandritry ny fampisehoana rehetra izay hatao ny hira sy ireo sanganasan’ireo mpamorona, toy ny an’i Dadah, Raoul, Dama ary Bekoto.

Fomba iadiana amin’ny alahelo, hira, hoy Bekoto

Ankoatra ny   fampisehoana amin’ny7 Novambra  dia isan’ireo hahazo mialoha ny seho  ny ao Fianarantsoa ny faran’ny volana oktobra ho avy izao. Izay hatao ao amin’ny Kianjan’ ny fo masin’i Jesoa sy ao amin’ny hotely lehibe iray.  Isan’ny fiangavian’ireo mpankafy ny hiainan’izy  ireo ny revy toy ny eto Antananarivo izay efa nampiavaka ny tarika mahaleo tao anatin’izay 50 taona izay. Continuer la lecture