Archives journalières 5 août 2021


FISANDRATAN’NY FARITR’ITASY : Amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompina ary ny fizahantany


« Faritr’itasy vonona ka tsy maintsy mandroso ». Manana trano heva 15 ny faritr’Itasy amin’ity foara Fier Mada 2021 ity. Niditra an-tsehatra amin’ny fanomanana sy fikarakarana ireo tantsaha sy mpanodina vokatra avy any amin’ny faritr’Itasy ka mandray anjara mandritra ny Fier Mada andiany faha 22  ny governoran’ny faritr’Itasy, Andriamanana Maherizo sy ny loholon’i Madagasikara, Randriamanantenasoa Landy. Fisandratana ny faritr’Itasy amin’ny alalan’ny eny ambanivohitra no tanjon’ny Governora. « Sehatra iray hampahafantarina ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana ary asa tanana avy any amin’ny faritr’itasy ity foara Fier Mada atao eto amin’ny kianjan’i Maki ity. Tsy vitan’ny fivarotana ireo vokatra fotsiny ihany ny fahatongavana eto fa fotoana ahitana ahitana mpiara-miombon’antoka sy lalam-barotra ihany koa mba hampitombo ny vola miditra ho azy ireo », hoy ny Governoran’ny faritr’Itasy. Vokatra mampiavaka ny faritra ny trondro, ovy, sakamalao, kafé…Efa manomboka manandrana fambolena vary Hybride ny tantsaha sasany. Mahatratra 19 taona ny iray hektara. Raha manao izany fomba fambolem-bary izany ny tantsaha rehetra dia ho tanteraka ny velirano faha-9 nataon’ny Prezidà Andry Rajoelina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy izy. Roa  karazana ny fomba hitondrana ny fandrosoana ny faritra raha ny nambaran’ny Governora. Tombony ho an’ity faritra ity ny fananana tany mamokatra noho ny fisian’ny vôlokana. Tokony hifototra amin’ny fambolena noho izany ireo tantsaha. Eo ihany koa ny fizahantany,  azo atao tsara ny manasongadina ny faritra amin’ny sehatry iray ity. Ankoatra izay dia hanampy ireo tantsaha amin’ny fanomezana masomboly voafantina, zana-trondro ny faritra. Tsy voatery manana dobo raha hiompy trondro fa na atao any an-tanimbary dia efa mety sady mahatsara ny voka-bary izany, hoy ny Governora.

« olan’ny tantsaha ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-mamokatra. Eo ihany koa ny tsy fahitana lalam-bokatra amin’ny zavamisy ankehitriny kanefa asehon’ireo tantsaha amin’ny trano heva izao fa mahavokatra izy ireo »,hoy ny loholon’i Madagasikara. Hita sy voamarina amin’izao koa fa voatsinjara ara-drariny ny fanampiana avy any amin’ny fanjakana ka isaorana azy izany, hoy izy. Ireo tantsaha ireo dia nahazo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fambolena.

Ra-Nirina


HAINGONALA : Mitondra ireo karazana voankazo kely dia misy voany eny amin’ny Fier Mada


Fotoana iray hitondran’ireo tantsaha ny vokatra ny Fier Mada. Anisan’ireo mandray anjara amin’ity foara ity izay atao eny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenakany Haingonala. Fantatra amin’ny fikarakarana sy famokarana ireo karazana voankazo kely dia misy voany izy ireo. Miavaka ny amin’ity Fier Mada 2021 izay nanomboka ny 04 Aogositra 2021 ka hifarana ny 08 Aogositra 2021 raha ho an’izy ireo satria misy vokatra telo vaovao azon’ny mpanjifa jifaina eny amin’ny trano heva misy an’ny Haingonala, toy ny Kiwi, cerise ary kaki vaovao. Eo ihany koa ireo  karazam-boasary miisa 20. « Ankoatra ny voankazo ahafantarana anay dia mitondra ny tantely misy tsiro sy hanitra voasary izahay . Efa manomboka mamokatra voninkazo kely , karazana azalée 20 ny Haingonala », hoy Rakotoniaina Michel, tonian’ny Haingonala. Mihatsara ny vokatra raha hoharina tamin’ny teo aloha. Ny voasary manify ny hodiny, telo volana dia efa mamelana. Ankehitriny dia ny voankazo efa mamoa mandavan-taona izay in-efatra isan-taona. Tsy mifidy tany ireto voankazo ato amin’ny Haingonala satria fasika, zezika ary tany ny haniriany, hoy izy. Ankoatra izay dia miompy kakana ihany koa ary mamokatra zezika tain-kakana izy ireo.

Ra-Nirina