Archives journalières 5 juin 2021


ZAVA-KANTO: FENO 55 TAONA I DADAVY


RANAIVOARIVELO Randriantsoavina David Jean no anarany, Zaza faharoa amin’ny Mpiray tampo aminy izy ary teraka tao Ambondrona ny 03 Marsa 1947. Manam-bady tokana ary niteraka zaza efatra izay efa nahazoany zafikely sivy hatreto.

OVIANA NO NANOMBOKA TEO AN-TSEHATRA  DADAVY ?

 Ny taona 1965, Raha nandalo tao Anjozorobe ny Riankira Ambohijatovo Avaratra dia nasain’ny Zokiny lahy nanao dihy misy fampiakarana tongotra any an-katoka  izy ka dia gaga sy nitehaka mafy ny Mpijery manontolo.

Ny  05 Jona 1966, dia nolokoin’ny Zokiny menamena ny orony, mangamanga ny masony, fotsifotsy  ny molony ary nampanaoviny ny akanjon’ny dadabeny ka rehefa nosesefany lamba ny kibony sy ny fitombenany dia  nandray anjara tamin’ilay fampisehoana natao tao amin’ny Sahan-dRabobalahy ao Anosipatrana izy telo mirahalahy  ka nitondra anarana hoe : Daved Randria, izay nalaina avy tamin’ny anarany  hoe : David sy ny an’ny zandriny hoe :Edmond ary ny an’ilay zokilahiny hoe : Randrianjanaka ; ka raha tsarina izany dia ity Zokilahiny atao hoe : Randrianjanaka Raymond Nestor ity no tena nahatonga azy ho mpanao HATSIKANA ary mbola nanipy azy ihany koa ho tonga teny AN-TSEHATRA. Continuer la lecture