Archives mensuelles février 2020


CORONAVIRUS: Aretina mahafaty fa azo sorohana


Hafatra fototra ho an’ny daholobe. Tsy vao izao no nisy ny aretina coronavirus fa efa nisy tranga ihany koa taloha ary karazana coronavirus vaovao ity hita tany Chine ity, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Dokotera Rakotoarivony Manitra nandritra ny famoriana ny mpanao gazety, nanazavana ny zava-misy momba ity valanaretina ity, ny 14 febroary 2020 teny Andavamamba. Continuer la lecture


RAZAKA MPAMPIHAVANA: Nitangoronan’ireo namany


Teny amin’ny trano fonenan’i MAMAFI Kissinger, tamin’ny asabotsy voalohan’ny volana febroary 2020 no nisehoan’ity fiarahana ity. Ny hoe MAMAFI dia Malagasy Mankafy Fiainana. Tsy fifampiarahabana tratry ny taona no anton’ny fety na dia mbola fotoana fifanaovana izany aza izao. Tsy fihaonan’ny tantsambo tranainy koa na dia maro tamin’izy ireo aza no tsikaritra teny. Tsy fihaonan’ny mpianakavy, satria azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana ny fianakaviana hita teny.

Fihaonan’ny samy mpinamana fotsiny

Ny tena marina dia fiaraha mifaly sy fampihaonana nataon’I MAMAFI Kissinger ho an’ireo namany amin’ny sehatra samihafa. Ankoatr’ireo izay efa voatanisa etsy ambony dia tao koa ny mpiara-miombona antoka aminy eo amin’ny sehatry ny asany ao amin’ny CFM. Tsy diso anjara tamin’izany ny sakaiza mahatoky ao amin’ny haino aman-jery, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Raha fintinina dia ireny tapaka sy namany ireny no tiany ho hita miaraka ka ampifankalalaina koa sy hananany fifandraisana eo amin’izy samy izy. Olona tsy nila fampihavanana akory ireo, fa tiany hanana fifandraisana eo amin’izy samy izy, hifamatotra ho mpinamana vaovao.

Toy ny korana rehetra dia nisy ny fiaraha mizara ny manta sy ny masaka. Tsy toy ireny amin’ny hotely lehibe fisakafoanana ireny akory, fa sakafon’ny mpianakavy tsotsotra ihany. Vary sy laoka fotsiny, ary na dia ny sotrobe fandoharam-bary sy fandoharan-daoka aza dia tsy nisy mpitantana manokana fa samy naka izay metimety aminy tao anaty vilany. Nisy ny fiaraha miala hetaheta araka izay tian’ny tsirairay sy zakany,  tsy nisy ny mofomamy mahazatra. Ny voankazo koa no nanaranam-po.

Sarim-pianakaviana no  nalaina alohan’ny hisian’ny sasantsany izay tsy maintsy niainga alohaloha, ka hitanao eto ny soritry ny fifaliana, ny hamaroan’ny olona, ary angamba koa ny hafanan’ny andro izay nanomboka nidanika.

Raha samy mitondra namana hafa koa  izy ireo amin’ny manaraka dia ho feno ny tanàna


HAKANTO CONTEMPORARY: Mamoha ny fitiavan’ny ankizy ny zava-kanto sy ny kolontsaina


Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny zava-kanto sy ny kolontsaina. Raha tsy hiresaka afa-tsy i Chine isika dia anisany nampivoatra haingana ity firenena ity ny fanomezana lanja ny kolontsaina niandohany. Tao aorinan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana Hakanto Contemporary eny Café Mary, Galerie Alhambra, Ankadimbahoaka dia nisy  mpianatra amin’ny EPP avy eny amin’ny kaominina Ambohijanaka tonga nitsidika ity fampirantina ity. Continuer la lecture


LETTRE A COLLIN MAURICE: Félicitations d’un journaliste ami


Ayant reçu ton mail en cette soirée du 07 février 2020, je ne trouve ni les mots ni les expressions suffisants pour traduire les sentiments qui m’habitent en ce moment. Je vais cependant essayer de griffonner ce que j’ai dans le cœur, tu pardonneras mes maladresses dues aux fortes émotions.

DR COLLIN MAURICE 1

Serait-ce un support biométrique ?

Profondément touché de l’honneur dont tu as été couronné le 06 février dans le salon des Boiseries aux Invalides par l’Amiral Alain COLDEFY, Président de la Société des membres de la légion d’Honneur, SMLH, je t’adresse mes plus fraternelles félicitations. C’est une décoration qui n’est que trop méritée pour toi.

Je peux l’affirmer en témoin des tes engagements dans les « initiatives d’entraide et de solidarité visant à renforcer la cohésion nationale et le lien social » dixit l’Amiral Alain COLDEFY. A partir de tes actions à Madagascar qui ne datent pas d’hier et dans une panoplie de domaines, je ne peux pas dire le contraire.

L’Amiral (2s) Alain COLDEFY de la Marine nationale française ayant remis le diplôme à Maurice COLLIN devant la docte assistance

Pour ne citer que la distribution de dictionnaires, Madagascar n’a pas été en reste et tu nous as toujours dotés de ceux en dernière date. A partir des nombreux voyages que tu as effectués dans notre pays, la pauvreté due à l’illettrisme et l’analphabétisme ici n’est plus à te décrire.

Tu n’y as pas été insensible et tes donations régulières en dictionnaires sont fortement appréciées. Même le CFM a bénéficié de ces dons.

Maurice, tu as été lauréat pour la quatrième fois dans la  Remise de dictionnaires pour lutter contre l’illettrisme dans la « Francophonie du Sud ».

Nous, Malgaches, sommes infiniment reconnaissants et fiers de toi et partageons pleinement ta joie. Tu es des nôtres.

A Madagascar nous avons un proverbe qui dit, je traduis littéralement : « Nous sommes comme la main gauche et la main droite : si l’une vient à être coupée, la douleur est commune ». Il ne s’agit pas ici de douleur évidemment pour le cas présent, mais l’effet est le même.

FELICITATIONS MON FRERE !

Razaka Oliva