Archives journalières 20 janvier 2020


Noborahan-dRajoelina ny resaka : « Misy maisatra tarihana ny mpiara-miasa amiko »


Notanterahina teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha ny 20 Janoary 2020 ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’ireo mpanao gazety sy ireo tompon’ orinasan-tserasera izay notarihin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard.

Nandritra ity fifampiarahabana ity no nanamafisan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry fa manana lanjany manokana ny asa fanaovan-gazety noho ity asa ity mitondra fanabeazana eto amin’ny firenena. Na samy manana ny firehany aza ny haino aman-jery dia tsotra ny tanjona, ny mba hilaza ny vaovao marina. Continuer la lecture