Tsy mbola nahitana vahaolana hatramin’izao ny fitakiana nataon’ny mpampianatra-mpikaroka, sy ny mpikaroka-mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso. Continuer la lecture
Archives mensuelles novembre 2019
MPIANATRA MALAGASY TANY MAROC: Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana
Manana tamberinandraikitra ho an’ny tanindrazana. Niantoka ny fandefasana ireo mpianatra malagasy nahazo vatsim-pianarana tany Maroc ny fanjakana malagasy. Continuer la lecture
FANITARANA NY SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA: Manan-danja ny lafy ratsiny
Nanoratra taratasy misokatra ho an’ny Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry ny ADOPT (association des originaires du province de Toamasina) sy ny SECES ( sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra) sampana Antananarivo ny 07 novambra 2019. Continuer la lecture
KONGRESY NASIONALIN’NY ANTOKO HVM: Nijoro ireo tapa-poroana sisa tsy may
Tsy ny anio ihany ny fiainam-pirenena. Nanamafy ny maha antoko velona azy ny HVM (Hery Vaovao an’i Madagasikara) na dia tsy henoheno aza taorian’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 2018. Continuer la lecture
SALON DES ETUDES SUPERIEURES : Parul University offre une bourse à 100 %
Des opportunités à saisir. 6000 étudiants ont visité le premier jour du salon des études supérieures. Continuer la lecture
MPIASAN’NY KRAOMA BRIEVILLE: Tsy nahitam-bahaolana ny fihaonana tamin’ny tale jeneraly
Nanomboka ny taona 2016 no tsy naloan’ny orinasam-panjakana Kraoma ( Kraomita Malagasy ) ny Cnaps sy ny fiantohana ao amin’ny Havana kanefa noesorina ao amin’ny karama. Continuer la lecture
ZAVA-MANIRY JATROPHA ANY TSIHOMBE: Nahavitana solika ary mora noho ny “gasoil” ny vidiny
Miodina amin’ny “biocarburant” vita amin’ny “jatropha mahafalensis” ny groupe éléctrogène ampisain’ny orinasa Phileol Madagascar. Tamin’ny alalan’ny GEMAHA, tetikasa famokarana herinaratra, ho an’ny tontolo ambanivohitra, avy amin’ny “jatropha mahafalensis” hita any Atsimon’i Madagasikara, distrikan’i Tsihombe no nahafahana namokatra io solika io. Continuer la lecture
SECES ANTANANARIVO: Hanatevin-daharana ny fitokonana ny Seces Toliara…
Manamafy ny fampiatoana ny asa aman-draharaha eny amin’ny oniveriste an’Antananarivo ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra. Taorian’ny fivoriambe notanterahan’izy ireo androany 7 novambra 2019 teny Ankatso dia nanao fanambarana izy ireo fa mitohy ny fitokonana. Continuer la lecture
FANANANTANY: Amanalina ireo tompon-tany lasibatry ny “boky rovitra”
Tsy azo hodian-tsy hita fa misy ny mpanararaotra amin’ity resaka boky rovitra ity. Fa maninona no tsy mbola misy vahaolana hatramin’izao? Efa tamin’ny fitondrana teo aloha no nokasaina ho ampidirina eny amin’ny Antenimiera roa tonta ny volavolan-dalàna hamahana ny olan’ny boky rovitra (BR). Araka ny anterivava natao tamin’ny tale jeneralin’ny fananantany sy ny fandrefesantany, Rasolofomampionona Hasimpirenena tamin’ny taona 2017 fa “soso-kevitra ho aroso amin’ny solombavambahoaka sy ny loholona eto Madagasikara ny famolavolana dingana vaovao hanarenana ny boky rovitra”. Nambarany tamin’izany fotoana izany fa raha lany soamantsara io tolo-dalàna io, hisy ny fidinana ifotony hataon’ireo vaomiera avy ao amin’ny Fitsarana sy ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany. Amin’izay fotoana izay no hanaovana ny fitsirihana ny tany ianjadian’ny boky rovitra. Rehefa vita izany, averina raketina indray ny mombamomba ny tany.
Ankehitriny, mbola eo am-pamolavolana ny volavolan-dalàna momba ny boky rovitra sy very indray ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana sy ny asa vaventy (MAHTP) sy ny ministeran’ny fitsarana. Araka ny fanadihadiana lalina natao dia amanalina ireo tompon-tany lasibatry ny boky rovitra eto Madagasikara. Ny faripiadidian’ny fananantany Antananarivo Atsimondrano no tena ahitana BR be indrindra raha ny eto an-drenivohitra. Ankoatra ny kadasitra na titra any am-pelantanan’ny tompon-tany dia voarakitra ao anatiny boky any sampandraharahan’ny fananantany ny mombamomba ny tany mba hanamarinana fa ianao tokoa ny tompon-tany. Potika, rovitra, simba anefa ny rejistra sasantsasany amin’ny boky iray, misy ihany koa ny ankamaroan’ny rejistra mihitsy no simba tsy misy azo raisina noho ny fahateran’ny boky sy ny fikirakirana azy matetika. Araka ny vaovao mari-pototra hatrany, ireo tany vita kadasitra no tena iharan’ny fahavoazana. Vokany, tsy afaka manao na inona na inona ny tompon-tany manoloana izany na io hivarotra tany na hanao famindrana satria ny boky hanoratana izany aza rovitra.
Marihina fa hisy ny varavarana misokatra karakarain’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany momba ny boky rovitra sy “plan” rovitra. Ny zoma 29 novambra 2019 amin’ny 9 ora maraina eny amin’ny “guichet unique” amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesantany Antananarivo Renivohitra no hanatanterahina izany.
Nirina R.