Archives mensuelles octobre 2019


BETAFO ANTSIRABE : Olan’ny rano fisotro madio


Tsy mety milamina araky ny nambaran-dRa-THEO (FIBEMIH), mpitarika ny fiarovana ny Zon’ny mpanjifa ao Betafo ny fomba fitantanana ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo, satria mitongilana mankany amin’ny mpitantana ny rano fotsiny hatrany ny fiarovan’ny tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana sy ny eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Rano Vakinankaratra ny zo sy ny tombontsoa fa tsy misy fijerevana velively ny zo sy ny tombontsoan’ny Mpanjifa!

Continuer la lecture


Baka : Tsy haintsika ny manala azy


Mandritra ny sivy volana eo ho eo ny tanora no manomana ny fanadinana baccalauréat rehefa tody eo amin’ny  12 taona ngarangidina  nianarana hatrany amin’ny garabola. Misy ny hambinina kokoa, na mitsambikimbikina dia ikohizan’ny mpiray monina fa mahay sy tapitr’ohatra ka na dia vao 13 taona monja àry ilay « zaza » dia hiatrika io fanadinana io. Tsara izany e !  Continuer la lecture


Tetikasa Tanamasoandro : Iza no mety hahazo tombotsoa amin’izany ?


Misy fanamboarana « tanàn-dehibe vaovao » maro ao amin’ny laminasan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, anisan’izany ny tetikasa Tanamasoandro. Ity tetikasa, izay voalohany amin’ny maro mbola ho avy, dia mikendry ny hanala ny fahatsetsenan’ny renivohitra Antananarivo. Misy mponina, anatin’izany ireo mpamboly sy tantsaha izay ho totofana ny tanimbariny, tompontany nefa ho esorina amin’ny taniny, maneho ny fanoherany mba hiarovana ny zony hanohy hamboly eo amin’ireo tany ireo.

Continuer la lecture


ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETRY NY ANDRO : Ny firenena toa an’i Madagasikara no antenain’ny firenena mandroso


Tsikaritra fa ny vahiny no tena mirodorodo mamatsy vola sy miasa eto Madagasikara momba ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro. Tetikasa maro no mahazo famatsiam- bola. Anisan’izany ny  tetikasa PAGE/GIZ izay vatsian’ny vondrona eraopeanina vola .

Zava-kendren’ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC ( tetikasa fanamafisana ny fahaizamanao  sy ny takiana amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny fampandrosoana maharitra) ny fiarovana ny harena voanjanahary ao anatiny sy ivelan’ny faritra arovana, fampihenana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, fampiakarana ny fari-piainan’ny mponina. Continuer la lecture


CHU Andohatapenaka Antananarivo : Projet de fonctionnement du service de Médecine Nucléaire  


Actuellement, le nombre de personnes atteintes de cancer ne cesse d’augmenter à Madagascar, le facteur le plus évident est vraisemblablement un diagnostic plus rapide

Aussi l’oncologie est un des problèmes majeurs de santé publique. La médecine nucléaire est un outil de diagnostic et du traitement essentiel pour la prise en charge des principales maladies non transmissibles : Cancer, maladies thyroïdiennes, problèmes cardio-vasculaires, hépatiques, rénaux.

Continuer la lecture


FIOVAN’NY TOETR’ANDRO : Tsy rototra ny Malagasy


« Efa loza mihatra amin’izao tontolo izao ity fiovan’ny toetr’andro ity. Tsy rototra mba tsy ilazana fa tsy miraharaha an’izany kosa ny ankamaroan’ny  Malagasy. Ny tantsaha mivelona eny ambanivohitra no tena voa mafy satria miankina amin’ny toetry ny andro ny fambolena sy fiompiana ataony. Ny fanjakana etsy an-daniny tsy maha voafehy ny olan’ny  doro tanety sy ny doro ala. » Continuer la lecture