Archives journalières 26 juillet 2019


CHAN: Vonona ny handresy ny Barea


Nampahafantarina androany 26 jolay 2019 ny lisitr’ ireo mpilalao 23 mandrafitra ny Barea hifandona amin’ny ekipam-pirenena mozabikanina, etsy Mahamasina ny alahady 28 jolay 2019 ho avy izao. Raha ny vaovao voaray dia hisokatra amin’ny 7 ora maraina ny vavahadin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’io fotoana io. Nivelatra ny klioba 16 manerana an’i Madagasikara no nangalàna ireto mpilalao ireto hoy ny mpanazavatra, Maître Franklin. Iray volana no nanaovan’ny ekipam-pirenena malagasy ny fanomanan-tena ka efa vonona na ara-tsaina na ara-batana na ara-teknika izy ireo hiatrika ny lalao fifanintsanana  amin’ny CHAN ny alahady izao io. Nampanantena ny kapiteny Ando fa vonona handresy ny ekipam-pirenena mozabikanina ny Barea ary hiezaka hiaro ny voninahitr’i Madagasikara tahaka nataon’ireo Barea tamin’ny CAN 2019 tany Egypte.

Ireto avy ny anaran’ireo mpilalao:

  • LEDA (Cnaps Sport)
  • JOMA (AS Jet Mada)
  • NINA (AS Adema)
  • TOBY (Cnaps Sport)
  • THEODIN (Fosa Juniors)
  • PATRICK (Ajesaia)
  • DA-TSIRY (AS Adema)
  • GAUCHE KELY (Zanakala)
  • BERAJO (Zanakala)
  • ROJO (Ajesaia)
  • RICHARD (3FB)
  • ELEFONI (Fosa Juniors)
  • DAHERY (Fosa Juniors)
  • LALAINA (Cnaps Sport)
  • LOLODY (Fosa Juniors)
  • BAGGIO (Fosa Juniors)
  • ANDO (Cnaps Sport)
  • TSITO (AS Jet Mada)
  • ARNAUD (Cnaps Sport)
  • FREDERIC (Costm)
  • ELIO (Zanakala)
  • MIHARY (AS Jofama)
  • ROMY (Tia Kitra)

Marihina fa amin’ny herinandro ambony ny lalao miverina

Nirina R.