Archives journalières 1 décembre 2018


FRANCINE RANAIVO: Mila mifanaraka ny mpitondra sy ny vahoaka


“Mbola tsy nahita olona afaka hihaino azy ny vahoaka hatramin’izao”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Alliance Internationale des femmes de France et Madagascar (AIFM), Francine Ranaivo rehefa nivahiny tao amin’ny televiziona afrikanina “télésud” ny 28 novambra 2018. Nambarany tao anaty ny fandaharana fa mitady olona afaka hihaino azy ny vahoaka. “Na dia hiroso amin’ny fifidianana fihodinana faharoa aza isika dia tsy fanirian’ny vahoaka izany. Handeha hifidy izy ireo mba hanatanteraka ny adidy”. Noho izany, mila manome izay tadiavin’ny vahoaka ny filoham-pirenena ho lany eo, araka ny fanehoan-keviny. Ao anatin’izany ny fahatsaram-piainana, ny fahafahana ny Malagasy rehetra miara-miaina lavitry ny fampitahorana sy fampihorohoroana.

Fifanarahana

Ankoatra maha filoha mpanorina ny AIFM an’i Francine Ranaivo dia mpila ravinahitra ao Paris izy. Anisany mpanao gazety  nitantana  gazety voalohany teto Madagasikara ny rainy.  Xavier Ranaivo no anarany itompokolahy. “Rehefa niresaka tamin’ireo mpila ravinahitra (diaspora) amiko aty Frantsa aho dia mila mamolavola sata ny vahoaka sy ny mpitondra. Ho soniavin’ny roa tonta izany ary omena fe-potoana ny mpitondra, ohatra  enim-bolana ka jerena aorian’izay raha niova ny fiainan’ny tsirairay. “Tsy misy vahaolana ankoatra izay”, hoy i Francine Ranaivo. Io sata io no hamatotra ny filoham-pirenena ka hifanarahana ny fepetra ho raisina raha toa ka tsy nisy fampandrosoana vanona. Ho an’izay filohan’ny repoblika vaovao eo, efa mampilaza sahady ny diaspora any Frantsa fa hiady izy ireo mba ahafahan’ny diaspora mifidy, araka ny fanambaran’ny solontenan’izy ireo, Francine Ranaivo.

Lynda A.