Archives journalières 19 octobre 2018


FANDAHARAN’ASA « PROSPERER »: Namorona asa


prosperer boeny mionjo 3Trano heva 145 no nandravaka ny foara « Boeny mionjo ». Nahitana sehatra isan-karazany ny vokatra nampirantian’ireo mpandray anjara toy ny fambolena sy ny fiompiana ary vokatra azo avy aminy, ny angovo, ny jono, fizahantany, indostria. Ho fizarana traikefa amin’ireo mpamokatra dia nanatevin-daharana ny foara ihany koa ireo sampandraharaham-panjakana, fandaharan’asa, fikambanana, ONG… Hetsika ara-barotra karakarain’ny faritra Boeny miaraka amin’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria sy ny fandaharan’asa « Prosperer » isan-taona izy ity ary saika mifanojo amin’ny tranga hafa toy « eclipse solaire » tamin’ny 2016 sy ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tanora (JMJ) farany teo. Ny 10 ka hatramin’ny 14 oktobra 2018 teo anoloan’ny Bord Mahajanga no nanatanterahina izany ary 50.000 ny isan’ny mpitsidika tonga.

Mahaleo tena

prosperer boeny mionjo 2Amin’ny maha hetsika ifanenan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa ny foara « Boeny mionjo », nampiroborobo ny seha-piharian’ireo orinasa madinika eny amin’ny tontolo ambanivohitra (MRE) tohanan’ny fandaharan’asa Prosperer ity hetsika ity. Fotoana nahafahan’izy ireo nampiseho ny vokatra vokariny toy ny fanodinana ny voankazo ho lasa « confiture », famadihana ny valiha (bambou) ho sakafo, ny rary… ny foara Boeny mionjo farany teo. Orinasa madinika eny amin’ny tontolo ambanivohitra 3000 isa no efa notohanan’ny Prosperer ao amin’ny faritra. Anarivony ireo vehivavy mitantana izany ary betsaka ihany koa ireo tanora nahavita namorona ny orinasan’izy ireo manokana. Ho fanitarana ny tetikasa ankoatra ireo distrika efatra (Mahajanga I, Mahajanga II, Marovoay, Ambatoboeny) ao amin’ny faritra Boeny ity foara ity.

Lalam-barotra

prosperer boeny mionjo 4Fandaharan’asa eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ny Prosperer. Tanjon’ny fandaharan’asa ny fampitomboana ny vola miditra amin’ireo mponina marefo eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Manome fiofanana arak’asa amin’ny sehatra isan-karazany, mizara fitaovam-piasana, manohana ara-teknika sy ara-bola azy ireo ny tetikasa mba hananany asa fivelomana mahaleo tena. Tsy mijanona eo ihany fa mbola manampy ny mpahazo tombontsoa amin’ny fitadiavana lalam-barotra ihany koa ny Prosperer. Tamin’ny alalan’izany fanohanana izany no nahafahan’ny ireo orinasa madinika eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Lynda A.