Archives mensuelles septembre 2018


FITAKIANA NY « ÎLES ÉPARSES »: Voarain’ny masoivoho ny taratasin-dry Mailhol


Nanatitra taratasy ofisialy fangatahana ny famerenena ny « îles éparses » amin’ny anaran’i Madagasikara teny amin’ny masoivoho frantsay eny Ambatomena ny solontenan’ny kandida Mailhol. Androany Alarobia 20 septambra 2018 tamin’ny telo ora tolakandro ny talen’ny fampielezan-kevitr’ity mpilatsaka ho fidiana filohampirenena ity , Paolo Raholinarivo niaraka tamin’ireo Malagasy mitaky ny « îles éparses » no nanatitra izany. Sady nanatitra ny taratasy no nilanja sora-baventy milaza ny fangatahana ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara teo ampitan’ny masoivoho frantsay izy ireo.
mailhol 1Ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida an’ny antoko GFFM (Gideo Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) no niresaka sady nanolotra ny taratasy tamin’ny solontenan’ny ambasady teo an-tokontanin’ny biraon’ny masoivoho. Tsy tonga d nitodi-doha niverina izy ireo fa niandry ny famalian’ny ambasady fa voarainy soamantsara ny taratasy naterina. Minitra vitsy taty aoriana, nasain’ny mpanolontsainan’ny ambasadaorin’i Frantsa miasa eto Madagasikara nankany amin’ny biraony i Paolo Raholinarivo. Tsy navela nanaraka ny mpanao gazety fa nasaina nijanona teo an-tokontany. Araka ny tatitra nataon’i talen’ny fampielezan-kevitr’i Mailhol momba ny resaka nifanaovan’ny roa tonta dia ho atolotry ny mpanolontsainany amin’i ambasadaoro frantsay eto an-toerana ny taratasy fangatahan’ny kandida Mailhol rehefa tonga izy. Ity ambasadaoro ity indray no mandefa izany any amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny any Frantsa ary izy no manolotra amin’ny fomba ofisialy ny taratasy amin’ ny filohan’ny repoblika frantsay, Emmanuel Macron. Ho taterina eto ihany ny tohin’ny raharaha.

Mibodo

Ao anatin’ny vinan’ny kandida Mailhol, laharana 34 ny famerenana ny « îles éparses » izay nobodoin’ny frantsay kanefa an’ i Madagasikara araka ny fehin-kevitro roa nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ny 12 desambra 1979 momba ny « îles éparses », ny fehin-kevitra laharana 1514 tamin’ny 14 desambra 1960 momba ny fialana amin’ny fanjanahana sy ny fanomezana ny fahaleovantena an’ireo firenena voazanaka…Nohamafisin’i Paolo Raholinarivo fa manamarina fa an’i Madagasikara ny « îles éparses » raha ny fifanarahan’ny firenena mikambana momba ny zo amin’ny ranomasina tamin’ny 16 novambra 1973 sy ny fifanarahana “Montego Bay” tamin’ny 1980 momba ny zo amin’ny ranomasina sy faritra ara-toe-karena manokana izay neken’i LaFrantsa ny taona 1996 no jerena. Nilaza izy fa ao anatin’ny fifanarahana “ Montego Bay” dia mbola ao anatin’ny fari-dranomasin’ny firenena iray ny 200 miles miala amin’ny sisin-taniny. Noho izany, mbola an’i Madagasikara ny « îles éparses » satria 100 miles miala amin’ny sisin-taniny. 5281, 65 miles na 8500 km miala amin’ny sisin-taniny Lafrantsa kosa no misy ireo nosy kely ireo.

Lynda A.

Horonan-tsary