Efa fanaon’ny solombavambahoaka Vololona Raherisoa lany teny amin’ny boribory tany faha enina tamin’ny alalan’ny MAPAR ny manao tatitra amin’ny vahoaka nifidy azy rehefa vita ny fivoriana teny amin’ny Antenimierampirenena. Continuer la lecture
Archives journalières 17 avril 2018
HETSIKY NY MAPAR SY TIM: Manetry ny fahefan’ny prefet
Na dia mahazo fahazoan-dalana avy any amin’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra aza ny hetsika ataon’ireo solombavambahoaka MAPAR sy TIM, ny prefektioran’ny polisy no tompon-teny farany. Manam-pikasana hamory vahoaka eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireto solombavambahoaka tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ireto, amin’ny sabotsy 21 aprily 2018 ho avy izao. Hanao tatitra momba ny fandaniana io lalàna io no anton’ny hetsika. Tsy mbola nampahafantarina momba ny hetsika sy naharay taratasy fangatahana hanao izany ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy hatramin’ny omaly 17 aprily 2018, nanaovany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety.
Mihevitra ireo solombavambahoaka fa voalazan’ny lalam-panorenana ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka. Noho izany, tsy ilaina akory ny fangatahana fahazoan-dalana. Nilaza kosa anefa ny prefet, Angelo Christian Ravelonarivo fa manao tsinontsinona ny fahefany sy ny maha izy izany. Noho izany, tsy manaiky ny famoriam-bahoaka ataon’ireo solombavambahoaka ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy. Nanapa-kevitra ihany ireo solombavambahoaka taorian’ny valan-dresaka naaon’ny prefet ka nanatitra taratasy fampahafantarana ny hetsika.
Lynda A.
Boana Jean Pierre (AV7) : Rako-pantsy ny TIM-MAPAR
« Manao tsinontsinona ny rà latsaka sy aina nafoy teo Antaninarenina tamin’ny 7 febroary 2009 ny fivondronan’ireo solombavambahoaka MAPAR sy ny TIM », hoy ny mpitarika ny AV7, Boana Jean Pierre. Continuer la lecture