Misy fiantraikany ratsy amin’ny ankizy niharan’ny fanararaotana mamoafady ny fitantarana ny antsipirian’ny zavatra nitranga niainany amin’ny haino aman-jery. Continuer la lecture
Archives mensuelles mars 2018
ASA SOSIALY : « Mamerina olona amin’ny tena maha olona azy ».
Anterivava : Landry RAMBELOMANANA
Tsy asa soa fa asa fanarenana olona iray ny asa sosialy. « Mamerina olona iray amin’ny tena maha olona azy ny asa sosialy », hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS ( Institut Supérieur de Travail Social ), Landry RAMBELOMANANA. Continuer la lecture
RAHARAHA METM ANTOHOMADINIKA: Nampiaka-peo ny taranaky ny mpitandrina
Nanakiana mafy ny fihetsika nataon’ny komity foibe ny fiangonana Misiona Evanjelika Tera-tany eto Madagasikara (METM) ny taranak’Itompokolahy Rakotobe Andriamaro, mpitandrina tao amin’ny fiangonana METM Zoara Famonjena Antohomadinika. Continuer la lecture
Propriété et régime foncier : Une délégation malgache à Washington
Une forte délégation malgache composée des représentants de la Cellule de Coordination de la Réforme Foncière (CCRF), de l’Observatoire du Foncier (OF), de la Direction des Domaines et de la Propriétés Foncières (DDPF) et du Direction d’Appui à la Gestion Foncière Décentralisée (DAGFD) est à Washington DC, depuis lundi 19 mars dernier. Continuer la lecture
INTELCIA: Manome asa ho an’ny Malagasy
Niova ho Intelcia ny Outremer Télécom Madagascar sy Maurice. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fanokanana ny foiben’ny Intelicia eny amin’ny Andranomena ny 20 martsa 2018 io fiovana anarana io. Tafiditra indrindra ao anatin’ny paik’adin’ny vondrona Intelcia ny fanitarana ny sehatra misy azy manerana an’i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana.
Anterivava : Karim Bernoussi
“Tombony ho anay Intelcia ny fipetrahana eto Madagasikara noho hatsaran’ny kalitaon’ny foto-drafitr’asa momba ny fifandraisan-davitra. Eo ihany koa ny fampananan’asa ny Malagasy, ny fampiroboroboana ny asa momba ny “relation client” sy ny tombontsoa ara-toekarenan’ny mpanjifa manome ny asa sy ny mpiara-miasa aminay”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny vondrona Intelcia, Karim Bernoussi.
Fampananan’asa
Avo dimy heny amin’ny karama farany ambany ny an’ny mpiasan’ny INTELCIA raha ny fanazavana azo. Tamin’ny taona 2000 no niforona ny Intelcia ary mpisehatra goavana amin’ny resaka fifandraisana amin’ny mpanjifa na “relation client”. Voalohany izy raha eto Madagasikara satria 1500 ny mpiara-miasa aminy. Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy, mandray anjara amin’ny fanomezana asa sy fampiofanana ny Malagasy ny Intelcia.
Nirina R.
ISTS-ONG RTM: Miray hina amin’ny fampiroboroboana ny asa sosialy
Misedra olana ireo ivon-toerana misahana asa sosialy eto Madagasikara. Manoloana izany, lohahevitra nodinihana nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa sosialy nokarakarain’ny fianarana ambaratonga ambony mampiofana momba ny asa sosialy ISTS ny fitadiavana vahaolana. Niara-niasa tamin’ny ONG Reggio Terzo Mondo (RTM) ny ISTS tamin’ity fankalazana ity. Continuer la lecture
KAOMININA AMBOHIDRABIBY: Mila vonjy
Tsy manana liseam-panjakana ny kaominina Ambohidrabiby. Voatery mandeha any amin’ny kaominina manodidina ireo mpianatra. Nikambana tamin’ny kaominina Talatanivolonondry i Ambohidrabiby teo aloha. Nanomboka ny taona 2015 izy vao lasa kaominina. Continuer la lecture
TAOM-BAOVAO MALAGASY: Mirodorodo ny vahiny
Nanamarika ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy ny taranaka Ambohidrabiby. Teny amin’ny rova an’Ambohidrabiby ny alatsinainy 19 martsa 2018 no nanatanterahina izany. Tonga nanotrona ity fomba Malagasy ity ny Ambasadaorin’Indonezia. Continuer la lecture
FIHAONANA ARA-TOEKARENA : Hamahana ny sakana
Hodinihina mandritra ny « forum économique de Madagascar » andiany voalohany ny paika ady ahafahan’i Madagasikara mahaleo tena ara-bola. Continuer la lecture
FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Hanorina sy hanarina i José Vianey
Misesisesy ireo olom-pirenena manambara ny filatsa-kofidiana ho filohan’ny repoblika amin’ity taona 2018 ity. Tao aorian’i Pasitera Mailhol, nanambara filatsahany ihany koa i José Vianey teny Ivato tamin’ny Sabotsy 17 Martsa 2018 lasa teo. Continuer la lecture