Manana 20 andro ireo mpifidy tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana. Nambaran’ny Filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Hery RAKOTOMANANA nandritra ny dinik’asa niarahana tamin’ireo lehiben’ny fokontany sy ny lefitry ny lehiben’ny fokontany rehetra ao anatin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 11 janoary fa mbola afaka manoratra ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany ireo mpifidy tsy mbola ao anatin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny 31 janoary 2018. Continuer la lecture
Archives journalières 11 janvier 2018
FOIRE INTERNATIONALE DES PIERRES BRUTES : Nampiavaka ny foara ny trano heva 16 an’ireo mpandraharaha Malagasy
Vato sarobidy, firavaka, vatosoa tsy mbola voapaika isan-karazany milanja 800 kilao avy any amin’ny firenena samihafa nampirantiana nandritra ny foara iraisam-pirenena ho an’ny vato tsy mbola voapaika (foire internationale des pierres brutes), tany « Jaipur Inde ». Continuer la lecture