Archives mensuelles novembre 2017


SAKAFO AZO ANTOKA: Misoroka ny fanapoizinana ara-tsakafo.


Ho ampahafantarina eny amin’ny Lapan’ny  kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina androany 18 novambra 2017 ny momba ny sakafo  azo antoka sy ara-pahasalamana. Trano heva isan-karazany hanampy ny mpitsidika  hahalala  ny fenitra takiana manomboka  amin’ny fitehirizana, ny fanodinana ny vokatra ho lasa sakafo… Tanjona  eto ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Continuer la lecture


ARETINA AVY AMIN’NY SAKAFO: Fitsirihana maimaim-poana mandritra ny roa andro.


Manana fotoana ahafahana mizaha  ny fahasalamany  momba ny aretina azo avy amin’ny sakafo ny mpitsidika ny hetsika  natokana  ho an’ny androm- pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Ny zoma 17 sy ny sabotsy 18 novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena Mahamasina   no hanaovana izany miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka  aminy. Continuer la lecture


MPAHAY MPANDREFY TANY : Tsy mahasahana an’i Madagasikara.


Niampy 25 indray ireo mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara. Nanatanteraka fianianana izy ireo  tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny 13 Novambra 2017 lasa teo.  Na nisy aza ireo mpahay mpandrefy tany vaovao ireo, tsy mahasahana an’i Madagasikara . Tafiditra amin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana sy fanavaozana ny sehatry ny fananantany amin’ny fampitomboana  ny isan’izy ireo ny tahaka izao. Tanjon’ny fanjakana amin’izany ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny.

Mpahay mpandrefy tany 300.

Miezaka ny holafitry ny mpahay  mpandrefy tany eto Madagasikara ( OGEM ) mampitombo ny isan’izy ireo. Miisa 190 ireo voasoratra ao amin’ny holafitra izay vitsy raha miohatra ny velaran-tany izay sahaniny. Noho izany, miantso ireo injienera tsy mbola miasa amin’izany sehatra izany ny filohan’ny OGEM, Lucien Ranaivoarisoa fa ilain’ny firenena.  Miisa 300 eo ho eo izy ireo. Misy mihitsy any Afrika. Tsy fantatra ny antony mahatonga azy ireo tsy miditra amin’ny sehatry ny fandrefesan-tany. Malalaka noho izany ny asa fandrefesan-tany ho an’ny tanora.

Mandrefy  tany ambony latabatra.

Misy amin’ireo mpahay mpandrefy tany no tsy midina eny an-toerana  na maniraka ny mpanampy azy fotsiny .  Andraikitry ny OGEM ny manadio sy ny fanaraha-maso  ireo  manao antsirambina ny asany . Anisan’izany ireo mpahay  mpandrefy tany ambony latabatra ireo.

Nirina R.

HORONAN-TSARY


4 G ORANGE : Hiroborobo hatrany sehatry fambolena.


Anisany faritra mamatsy ny vokatry ny  fambolena an’i Madagasikara i Antsirabe. Hanampy betsaka ireo mpandraharaha amin’ity sehatry ity noho izany ny fahatongavan’ny “réseau 4 G” an’ny orinasa Orange. Varavarana ahafahana manaparitaka ny vokatra na eto amin’ny tsena anatiny na any ivelany ny fampiasana  aterneto  haingam-pandeha. “Mampivoatra ny fandraharahana amin’ny lafiny fambolena   ny fampiarahana  izany amin’ny  teknolojia vaovao”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel Degland. Continuer la lecture


CRIMARIO : La coopération maritime se renforce à Madagascar et aux Comores


Le développement de l’économie bleue passe par la maîtrise des crimes et incidents en mer. Pour y répondre, le projet européen CRIMARIO (Critical Maritime Routes Indian Ocean) et le CRFIM (Centre Régional de Fusion d’Informations Maritimes) œuvrent pour une coopération régionale et une coordination inter-administrations, illustrés par deux événements :

Continuer la lecture