Archives journalières 14 novembre 2017


MPAHAY MPANDREFY TANY : Tsy mahasahana an’i Madagasikara.


Niampy 25 indray ireo mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara. Nanatanteraka fianianana izy ireo  tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny 13 Novambra 2017 lasa teo.  Na nisy aza ireo mpahay mpandrefy tany vaovao ireo, tsy mahasahana an’i Madagasikara . Tafiditra amin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana sy fanavaozana ny sehatry ny fananantany amin’ny fampitomboana  ny isan’izy ireo ny tahaka izao. Tanjon’ny fanjakana amin’izany ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny.

Mpahay mpandrefy tany 300.

Miezaka ny holafitry ny mpahay  mpandrefy tany eto Madagasikara ( OGEM ) mampitombo ny isan’izy ireo. Miisa 190 ireo voasoratra ao amin’ny holafitra izay vitsy raha miohatra ny velaran-tany izay sahaniny. Noho izany, miantso ireo injienera tsy mbola miasa amin’izany sehatra izany ny filohan’ny OGEM, Lucien Ranaivoarisoa fa ilain’ny firenena.  Miisa 300 eo ho eo izy ireo. Misy mihitsy any Afrika. Tsy fantatra ny antony mahatonga azy ireo tsy miditra amin’ny sehatry ny fandrefesan-tany. Malalaka noho izany ny asa fandrefesan-tany ho an’ny tanora.

Mandrefy  tany ambony latabatra.

Misy amin’ireo mpahay mpandrefy tany no tsy midina eny an-toerana  na maniraka ny mpanampy azy fotsiny .  Andraikitry ny OGEM ny manadio sy ny fanaraha-maso  ireo  manao antsirambina ny asany . Anisan’izany ireo mpahay  mpandrefy tany ambony latabatra ireo.

Nirina R.

HORONAN-TSARY