Archives journalières 15 juin 2017


ISPM: Fandrafetana sahady ny ho avin’ny mpianatra ny fikarohana.


Fomba fanao isan-taona ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo voka-pikarohana nataon’ireo mpianatra ao amin’ny ivom-pampianarana ambony ISPM. Tamin’ity andiany faha-24 ity, 400 mahery ny isan’ireo fikarohana. “Hetsika iray ahafahana mampivelatra ny sain’ny mpianatra sy ny fampiharana ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo fa indrindra hitarihana azy ireo sahady any amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika tahaka itony”, hoy ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY. Continuer la lecture