Archives journalières 11 janvier 2017


DFP: “Tandindomin’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara”.


Ho avy eto Madagasikara ny filoham-pirenenan’ny Turquie, Tayyip Erdoğan. Nambaran’ny vovonana Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP) anefa fa malaza ho lohandohan’ny mpisorona amin’ny asa fampihorohoroana izy ity.

Anterivava : Maharavo RATOLONJANAHARY

“Ny vondrona eropeanina aza matahotra  azy ka izany  no mahatonga an’io firenena tsy ho voaray ho mpikambana ao anatin’ny frankofonia”, hoy i Maharavo RATOLONJANAHARY, Filoha Mpandrindra  ny DFP.

Niantso ny mpanao gazety mihitsy ny DFP satria mampiahiahy ny fivahinian’ity filoham-pirenena vahiny ity eto amintsika. Nambarany fa raha teraka ny fifanarahana ara-diplomatika amin’ny firenena Turc dia ho tandindomin-doza amin’ny asa fampihorohoroana ny vahoaka Malagasy.

Noho izany, manaitra ny mpiray tanindrazana ny DFP mba ho mailo sy hifoha amin’ny torimasony.

Lynda A.