Archives journalières 22 novembre 2016


VILLAGE DE LA FRANCOPHONIE : Tsy nahasakana ny famitana azy ny fanakianana.


Nigadona androany ihany ny andro voalohany handraisan’i Madagasikara ny Fihaonana an-tampony ny firenena mampiasa ny teny frantsay. Voatokana ihany ny « village de la Francophonie » eny Andohatapenaka, na dia betsaka aza ny fanakianana isan-karazany. Tsy nahasakana ny frankofonia ho tanteraka eto Antananarivo izany.

Ity vao tanteraka ilay fomba fiteny hoe : « manao zavatra tsy mora ». Ny alina mialoha ny frankofonia vao notokanana ny « village de la francophonie ».

Tonga teny Andohatapenaka nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ny Sekretera jeneralin’ny OIF, Michaelle Jean, ny Lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny parlemanta roa tonta…

Nirina R.


VIMA: Varavarana misokatra ho an’ny orinasa ny « village de la francophonie ».


Anterivava: Zouzar BOUKA

“Fotoana manan-danja ho an’i Madagasikara ny fandraisana ny fihaonana an-tampony ny frankofonia”. Nambaran’ny Filoha mpanorina ny orinasa VIMA, Zouzar BOUKA fa varavarana ahafahan’ny orinasa eto Madagasikara misandrahaka any ivelany io fivoriana io. Continuer la lecture