Archives journalières 31 août 2016


DINIKA HO FANAVOTAM-PIRENENA : Lalana_tokana hirosoana amin’ny fanarenana an’i Madagasikara.


Madagasikara, malaza ho Nosy manan-karena. Indrisy anefa fa tsy migoka tanteraka izany ny vahoaka Malagasy. Manjaka ny kolikoly ary efa mananika ny lapa mihitsy aza. Mahazo vahana ny tsy maty manota. Eo ihany koa ireo manararaotra manampatra ny fahefany ka manondrana ny harena voajanahary toy sokatra, ny andramena izay niteraka resa-be mihitsy tato ato… Tra-tehaka ihany fa tsy hita izay nanjavonany. Manoloana izany indrindra no nametrahan’ny AFO Sendikaly fitoriana teny anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly (BIANCO). « Tafahoatra loatra ny kolikoly ataon’ireo olona ambony. Ataon’ny vahiny ampihimamba ny harem-pirenena. Nandeha daholo ny hetsika isan-karazany ho fitakiana ny tsy rariny. Nanampin-tsofina ny fitondrana ankehitriny. Nanampy trotraka ihany koa ny fandaniana ny lalan’ny asa fanaovan-gazety ».

Anterivava : Maharavo RATOLOJANAHARY ( DFP )

Hijoro hatramin’ny farany ireo mpitarika ny hetsika « Dinika Ho Fanavotam-Pirenena ». Io dinika io ihany no ahafahana manarina ireo lesoka voalaza ireo. Mifampidinika avokoa n vahoaka manerana ny Nosy ka ho avoitra amin’izany ny olana misakana ny fampandrosoana sy ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Eo am-panomanana ny hetsika ny mpikarakara amin’izao fotoana izao.
Lynda A.

HORONAN-TSARY