Archives journalières 8 janvier 2016


TSY AFAKA AM-BAVAN’NY OLONA NY FAKO !


Mampiteny ny moana mihitsy ny fako eto Andrenivohitr’ i Madagasikara. Teny voalohany avoakan’izy ireo ankehitriny ny hoe : « maimbo ». Tsy afaka am-bavan’ny olona ny fako manerana ny tanana azo lazaina mihitsy aza fa efa an-tenda kely. Mahazo hery vaovao indray ireo voalavo noho ireo fisian’ny fako misavovona ary tsy mahagaga raha hisy ny aretina entin’izany. Niteny ny prefektioran’Antananarivo fa tsy mahazo alalana hanao filaharana ny vondron’ny mpitaky ny « iles eparses » rahampitso fa manelingelina ny vahoaka. Fa ny fako ve izany tsy manelingelina ny vahoaka ? Continuer la lecture